<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>JESO FIADANANA ASAFA53</title>
<lyrics>[V1]
 Tao anaty aizin'ny famoizam-po,
 Nandrakotra ny fiainako,
 No nahatsiarovako ilay Teninao,
 Niantso ahy hanokatra ny foko ho Anao.

[C1]
   Tsy irery intsony aho hatramin'izay,
   Fa miaraka amiko foana Jeso,
   Rakotry ny ntrany sy ny fahasoavany,
   Ny andro rehetra omeny iainako;

[V2]
 Vontom-pahoriana ve ny fiainanao,
 Fa ratsy loatra 'zao tany izao?
 'Lay Jeso namonjy ahy tia anao koa
 Te hanome ny fiadanany hivelomanao.</lyrics>
<hymn_number>53</hymn_number>
<author>Landy RABENIRAINY / Tsy fantatra</author>
</song>